<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>W.H. Monk</author>
<lyrics>[V1]
 Ankehitrio no isehoanao,
 Ry Jeso Tompo, izay
 malalanay !
 Ankehitrio no anandramanay
 Ny hafaliamben'ny lanitrao.

[V2]
 Ampiomany ao am-po izahay
 Hampahadio ny eritreritray,
 Hahatakaranay ny avotrao
 Izay namboaranao tao
 Kalvary.

[V3]
 Eto no anoloranao anay
 Ny mofon'aina, rano velona ;
 Eto no ialanay sasatra
 Amin'ny adinay sy rafinay.

[V4]
 Ry Jeso ô ! miandry izahay
 Ny fihavian'ny voninahitrao,
 Ho toy ny andro vao miposaka
 Ho toy ny rano mahavelona.

[V5]
 &quot;Raiso ny Tenako&quot; no teninao
 &quot;Ary ny Rako ho fiainana&quot;
 Am-pitiavana no andraisanay,
 Na dia tsy mendrika aza
 izahay.

[V6]
 Mombà anay, ry Tompo tia ô !
 Aza miala amin'ny fonay,
 Aoka ny tavanao hazava re,
 Amin'ny làlana alehanay.</lyrics>
<title>Ankehitrio no isehoanao FFPM261</title>
<hymn_number>261</hymn_number>
</song>